MBOLA MANANTENA ANAO.
Naly RAKOTOFIRINGA
Mbola manantena anao, izany fitiavako izao
Moa hatraiza raha hitohy, 'zany orana mijohy,
Tsy ahasakana ahy satria, efa hiantanan' ny fitia,
Antenaiko mantsy ianao, amin 'izao ora izao
Efa tsy mitoetra.
Izay miseho rehetra
Ho any ianao
Ka dia toa mitsetra
Sy manjoretra
Ny foko mantsy izao
Mbola manantena anao.