MARIAZY.
Naly RAKOTOFIRINGA
Toy ny lamban'akoho ny fitiavam-bady
Ka aina no fetra, rehefa nivoady ,
Na ho soa' na ho ratsy ny hananana azy
Dia masina fa tsy vazivazy,
Masina loatra ny mariazy.
Manotrona maro ny mpianakavy,
Ny havan'ny lahy sy ny an'ny vavy,
Hiaraka ireo manomboka anio
Lanjao tsara ka ampitovio.
Koa mahaiza ianareo mba mifankatia,
Tsy anio na ampitso ihany fa ho doria,
Mandramaty ny fitiavana nekena
Satria ny mariazy dia vita am-pahendrena.
Maroa dimby sy fara
Izany no tso-drano ambara,
Izy ho anao ary ianao ho azy:
Vita ny mariazy.