TSIAHIN' NY FAHINY
SANTATRA NY HAFALIANA
(Justin Rajoro)
Santatra ny hafaliana,
Hitohy hatrany any aoriana,
Ka enga anie ny zazavavy,
Tsy hisara-mianadahy
Tiavo ny Ray aman-dreny,
Hanoa ny teny nomeny
Ho voahangy madio sy modely.
Tsy hafa fa sarin' anjely
Akaro ny vera zareo
Akaro ny vera zareo
Fa faly tsidianareo
Tsy miova fa hifankatia,
Samy ravo ny fo sy ny saina, Ny tany
fonenana manoalo,
Sotroy fa aza hambaina.
Tsy tokony hasim-pahavalo
|
|