TSIAHIN' NY FAHINY


EKEKO SATRIA
(Gabby sy Perle)

Ny tianao, no tiako satria
Ny làlanao no làlako
Ny alehanao no halehako

Matoa ny foko nanaiky dia tia
Satria izay nekeko
Tsy miova ho doria !

Ianao no mamin'ny foko,
Ianao no hikaloiko,
Ianao, ianao irery ihany
Ianao no tiako eto an-tany!

Ianao, ianao tsisy fetra,
Amin-javatra rehetra,
Tia ahy ianao, tiako ianao
Mihoatr' izao tontolo izao.