TSIAHIN' NY FAHINY
MAHERY NY FITIA
(Bessa)
Tsy fanahy iniana, ny resin' ny tiana
Fa mahery ny fitia, ianao mpanakiana
Nanjary nangina, fa mahery ny fitia.
Ny tena mahazendana indrindra,
Ianao mpiriaria tsy mifindra
Tamana tokoa ve! fiovana lehibe,
O! mahery ny fitia.
Tsy tarehy , tsy bika, no iarahantsika
Fa mahery ny fitia, tsy fatoram-boady,
Na gadram-pivady, fa mahery ny fitia.
Tsy hifampi-banjina tsy miato
Fa roa mampiara~ia te hilanto,
Hamafa ny lasa, hiara-mikasa
O! mahery ny fitia. Bis
Hamafa ny lasa, hiara-mikasa
O! mahery ny fitia.
|
|