TSIAHIN' NY FAHINY


HOE TIA
(Bessa)


Vao nomena toky dia sahy mivelatra
Kanjo voasoloky ka tapak' elatra,
Manantena arira ka dia potraka,
Hoe tia, hoe tia kianjo nihoso-potaka.

Hay voaisy fefy voafariparitra,
Hay moa mora lefy tsy mba naharitra,
Na izay tena kantony aza fitaka,
Hoe tia, hoe tia kanefa dia sahy nisintaka.

Tsy azo antoka na toa soa aza sandoka,
Ny fatafatan-dinam-pitia tsy nisy ny tsy malia
Mora milofika vao voadona dia potika,
Fa ny fitiavana tsy mba lo ianao.

Ny fahazazana no tsy fantatra,
Ny hatanorana kanto sy fatratra,
Samy misy angola feno avona
Hoe tia, hoe tia fa aiza ireo izao ? Nanjavona.

Ilay nijihina iny efa nanjoko izao,
Ilay tarehy fahiny nikentrona efa lao,
‘Reo mpanindrahindra, mpisolelaka
Hoe tia, hoe tia kanjo nahafoy fa reraka.

Izany no ety, tsy mba misy ny ho doria,
Ny bika soa sy laza aman-jo
Hiseram-poana avokoa,
Fa hany tokana tsy mba mora fa tokana
Mahay manoro izay tena soa : Jesoa.