TSIAHIN' NY FAHINY


VETSO MAMANTON'ALINA
(Andrianary Ratianarivo)

Nahoana hono itony alina
No toa mamohafoha ny fitiavana,
Izay miafin' any amin' ny alina
Tsy hita avangavana..

Mitepotepo mafy izany foko izany
Mangitankitaka,
Mangitankitam-pijaliana,
Ny saiko verivery sy lasana vinany
Manembona manimanina 'lay olon-tiana.

Raha vao noseraniny monja
Dia taitra ny fo e! manonja,
Ny foko dia babon'ny fony
Ka tsy afa-mivadika intsony

Nahoana hono itony alina
No ho mamohafoha ny fitiavana
Izay miafina any amin' ny alina
Tsy hita avanavana.

Ny taratrao mazava ry volana baliaka
Malefaka toa tandindon' i Malala,
Ny kintan' alin-kisa izay fotsy nanjopika
Toneo 'ty ventson'ny foko f’andrao dia mahadala.

Ry andro maraina tongava
Faingana anala ny sento,
Ny aizina aoka hisava,
Ny fanantenana no ento.