TSIAHIN' NY FAHINY


RAHA NY RANO NANTSAKAINA
(Andrianary Ratianarivo)

Raha ny rano nanisakaina mantsy hono
No nandatsaka ny aina sy hamono,
Tsy ho kivy ve ny saina
Diso zava-nanlenaina! (bis)

Zana-borona nompiana teo an-tratra
No manao fanahy iniana ka nandratra,
Tsy ho kivy ve ny saina
Diso zava-nantenaina (bis)

Olon-tokana raha tiana no nanjary
Ho mpivadi-panekena sy nanary ô!
Tsy ho kivy ve ny saina
Diso zava-nantenaina! (bis)