TSIAHIN' NY FAHINY


IARIVO NIANDOHANA
(Andrianary Ratianarivo)

Ry Iarivo ˘! ry Iarivo niandohana,
Mamiko k' efa nilokana,
Akany akany tsy ialÓna
Sy toeran-kiafarana.

Veloma ˘! veloma ry tanÓna nolalaiko,
Veloma fa niova, efa niova izao ny baiko,
Ho roso sy hamindra, ka aza tsiny indrindra

Anaovana azafady fa tsy nahefa voady ,
Kanefa tsofy rano ,
Tsofy rano mba tsy hahita angano ˘!
Veloma ry Iarivo, kanefa mba tsahivo,
Fa ny tenako no lasa sy takona any ho any,
Ny foko kosa mantsy dia mipetrako eto ihany.