TSIAHIN' NY FAHINY


AVIA ISIKA HIARA-DIA
(Andrianary Ratianarivo)

Avia isika hiara-dia
Hikolo sy hiriaria,
Venteso mafy ny hira hifamaly,
Tratry ny taona ka miara-paly,
Ho lavitra anio ny sentosento.
Tarehy sariaka izao no ento ,
Koa dia arahaba fa mifankahita
Tratry ny taona samy tafita.

Raha misy alahelo mandalo
Reseo fa aza mimalo,
Ny zavatra mampitomany
Fampieritreretana ihany
Ny anatra aposaka anio
Tsarovy sy mba tadidio,
Ny fo te ho hendry no sokafy
F' ireny no voa izay nafafy .